Ny fanajana ny vehivavy: Mendrika azy ireny ny fahatokisana sy fankasitrahana

Ny vehivavy: Mendrika azy ireny ny fahatokisana sy fankasitrahana

Raha mitahy amin’ny vehivavy, isika lehilahy indraindray mora mitaraina na mikohaka fotsiny aza. Kanefa, tokony ho fantatsika fa manana herim-po sy faharetana lehibe izy ireny, izay indraindray tsy ho vitantsika bandy mihitsy!


Mila fanajana sy fankasitrahana izy ireo

Ny vehivavy dia mampiseho herim-panahy amin’ny fiainana andavanandro—na amin’ny maha reny azy, amin’ny asany, na amin’ny fikarakarana ireo olon-tiany. Raha isika bandy mora kivy amin’ny zavatra sasany, izy ireo kosa mahay mitondra enta-mavesatra amin’ny fahatoniana sy finiavana.

Aoka tsy ho adino fa maro amin’ireo zava-dehibe eo amin’ny fiainana no vitan’ny vehivavy nefa tsy ho vitantsika bandy. Izy ireo no mitondra aina vaovao eto an-tany, izy ireo no mamorona hafanana sy firindrana ao an-tokantrano, ary izy ireo koa no mandresy fanamby maro eny amin’ny sehatra samihafa.


Aza adino ny fahafaha-manao sy andraikitra entin’izy ireo

Mety ho tsotra amin’ny fijery ivelany ny zavatra ataon’ny vehivavy, saingy raha mijery lalindalina isika, dia mahatsapa fa misy herim-panahy lalina ao ambadik’izany. Tsy hoe noho izy miramirana sy mitsiky foana dia midika fa tsy mahatsapa fahasahiranana. Tsy midika koa hoe mora aminy ny zavatra rehetra ataony.

Koa raha mba mitsikilo amin’ny fo misokatra isika dia hahatsapa fa mendrika fanajana sy fankasitrahana izy ireny. Tsy tokony ho hadinontsika fa misy andraikitra tsy ho vitantsika bandy mihitsy, ary amin’izany dia mila manohana sy manome lanja azy ireo isika.


Fankasitrahana fa tsy tsinontsinona

Tokony ho zatra mamaly amin’ny fanajana sy fankasitrahana isika rehefa mahita ny ezaka ataon’ny vehivavy. Na eo amin’ny fianakaviana, na amin’ny sehatra hafa, dia mila aseho aminy fa mankasitraka sy manohana azy isika. Raha vitantsika izany, dia ho tontolo tsaratsara kokoa no ho velontsika.


Mendrika ny fanajana sy fitiavana izy ireny, ka raiso an-tanana ny fanohanana sy fanomezan-kasina azy ireo!

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

RAISO AN-TANANA NY HOAVY, Atsangano dieny izao fa IO TSY HITSANGA HO AZY !

NY TOE-TSAINA BANDY SAHIRANA