NY TOE-TSAINA BANDY SAHIRANA

NY TOE-TSAINA BANDY SAHIRANA

Betsaka no manontany hoe inona marina izany hoe "bandy sahirana", ary inoana fa liana ianao hahafantatra ny tantara sy ny hevitra ao ambadik’izany. 

Noho izany, andeha hojerentsika hoe: "Inona marina moa izany hoe BS?"

Fiandohana

Eo amin’ny fiainana andavanandro, tsy vitsy ireo olona mijery ny seho ivelany dia mitsara avy hatrany ny maha izy ny olona iray. Misy ireo mahita olona iray amin’ny fitafiny, amin’ny fandehany, amin’ny fiteniny, dia mitonona ho mahafantatra azy tanteraka. Raha misy mahita lehilahy mandehandeha amin’ny akanjo efa somary rovitra, dia lazaina hoe tsy manam-bola, fa raha vehivavy miravaka sy manao akanjo milamina kosa, dia heverina fa manana fiainana mirindra sy mandeha tsara.

Maro ihany koa anefa ireo mihevitena ho ambany manoloana ny hafa. Mety ho noho ny fiavian’izy ireo, noho ny fianarana vitany, na noho ny fahantrana ara-materialy. Raha vao mahatsiaro ho ambany anefa ny olona iray, dia tsy mahavita miatrika fiainana amin’ny heriny rehetra intsony, ka lasa manery tena hiforitra anaty aloka, tsy sahy mandray anjara, ary mety ho lasa tsy mahavita manome anjara biriky amin’ny fiaraha-monina akory.

Ankoatra izany, matetika ireo mahay zavatra iray no tsy te hizara izany, na noho ny fahatahorana ho latsa, na noho ny fialonana, na indraindray noho ny tsy fahatokisana tena. Kanefa, mety ho tombontsoan’ny hafa ihany koa izay fahalalana kely ananany, ary mety ho fiandohan’ny zavatra lehibe kokoa aza, raha nozaraina tamin’ny hafa. Indraindray, ny fahalalana zaraina dia lasa manova fiainan’ny hafa, manome aingam-panahy, na mety ho lasa fanalahidin’ny fahombiazana ho an’ny hafa mihitsy aza.

Izany rehetra izany dia anisan’ny niteraka ilay fomba fisainana hoe “Bandy Sahirana” izay lasa fomba fijery sy fomba fiaina ho azy.


Inona izany hoe "Bandy Sahirana"?

Ny hoe "bandy sahirana" dia tsy manondro olona sahirana ara-bola, maloto fitafy, na avy amin’ny fianakaviana mahantra. Tsy famaritana olona iray izy io, fa toe-tsaina!

Toe-tsaina izay irian’ny maro hanana, saingy mbola vitsy no manana azy tanteraka. Io no nahatonga azy hatao amin’ny fiteny tsotra hoe "BANDY SAHIRANA", mba ho mora takarina sy tsaroana.


Ny Toetra Fototry ny Bandy Sahirana

  1. Manaiky fa tsy tonga lafatra – Tsy manana ny ampy ka mitady hanatsara ny tenany hatrany.
  2. Tsy mirehareha ho feno – Mibanjina hatrany fa mbola mila mitombo, mba tsy ho latsaka amin’ny fiheboheboana sy fireharehana.
  3. Vonona hizara sy hanampy – Tsy miaro ny soa ho azy ireny raha mety hahasoa ny hafa.
  4. Mihaino sy mandray hevitra – Tsy mihevi-tena ho mahavita irery.
  5. Tsy kivy miady – Mbola mitady, mbola miandrandra hazavana, manantena hoavy mamiratra.

Ny Tanjona

  1. Manampy ny tsirairay hahafantatra ny tena maha-izy azy.
  2. Manohitra ny fiheverana hoe mahavita tena irery ny olona.
  3. Miandrandra hoavy tsaratsara kokoa.
  4. Miady amin’ny sakana rehetra manakana ny fahombiazana.
  5. Tsy kivy amin’ny fahasahiranana, fa mitady vahaolana hatrany.

Raiso an-tanana ny hoavinao!

Aza miandry fotsiny. Atsangano dieny izao, fa tsy hitsangana ho azy izany!


#bandy-sahirana

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

RAISO AN-TANANA NY HOAVY, Atsangano dieny izao fa IO TSY HITSANGA HO AZY !

Ny fanajana ny vehivavy: Mendrika azy ireny ny fahatokisana sy fankasitrahana