Articles

Affichage des articles du 2016

NY TOE-TSAINA BANDY SAHIRANA

NY TOE-TSAINA BANDY SAHIRANA Betsaka no manontany hoe inona marina izany hoe "bandy sahirana", ary inoana fa liana ianao hahafantatra ny tantara sy ny hevitra ao ambadik’izany.  Noho izany, andeha hojerentsika hoe: "Inona marina moa izany hoe BS?" Fiandohana Eo amin’ny fiainana andavanandro, tsy vitsy ireo olona mijery ny seho ivelany dia mitsara avy hatrany ny maha izy ny olona iray. Misy ireo mahita olona iray amin’ny fitafiny, amin’ny fandehany, amin’ny fiteniny, dia mitonona ho mahafantatra azy tanteraka. Raha misy mahita lehilahy mandehandeha amin’ny akanjo efa somary rovitra, dia lazaina hoe tsy manam-bola, fa raha vehivavy miravaka sy manao akanjo milamina kosa, dia heverina fa manana fiainana mirindra sy mandeha tsara. Maro ihany koa anefa ireo mihevitena ho ambany manoloana ny hafa. Mety ho noho ny fiavian’izy ireo, noho ny fianarana vitany, na noho ny fahantrana ara-materialy. Raha vao mahatsiaro ho ambany anefa ny olona iray, dia tsy mahavita miatrika ...